Sosialy

Fanangonana ny fakon’Antananarivo Mandeha ny asa ary hohafainganina


  • Alakamisy 13 Desambra 2018

Fisaorana no nasetrin’ny minisitry ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana, Rolland Ravatomanga ny tsikera nisy nahazo azy ny amin’ny fahataran’ny fandraisana andraikitra momba ny fanangonana ny fako eto Antananarivo.

 

 

 

 Fitiavana ny tanànan’Antananarivo izany ary hita ho saropiaro amin’ny fahadiovana ny mpanao politika sy ny vahoaka rehetra, hoy ihany izy. Na izany aza dia nanazava ihany ny tenany fa tena sarotra ny fifampiraharahana ary nisy dingana marobe vao azo ireo fiara be mpitatitra ny fako eto amin’ny renivohitra. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny SAMVA omaly 12 desambra ireo fiara be miisa 11 izay efa tena ao anatin’ny asa fanadiovana amin’izao fotoana izao. 6 miliara Ariary ny vidin’ireo kamio 16 nohafarana ka ny 5 izay somary lehibe dia mbola andrasana ny fahatongavany amin’ny herinandro ho vy izao. Nanambara ny minisitra fa tompon’andraikitra ny rehetra ny amin’ny fanadiovana ny tanàna fa tsy voatery hiandry ny SAMVA sy ny Kaominina Antananarivo ary ny ministeran’ny rano foana. Ilaina hoy izy ny fanajana ny ora fanariana ny fako izay manomboka amin’ny 5 ora hariva ary nanafatrafatra ny SAMVA ihany koa ny tenany ny amin’ny fanajana ireo fitaovana ireo satria na dia hita fa tena mbola tsy ampy aza izany dia efa mba mahavita izay vitany ihany. Nanamarika ihany koa ny minisitra Rolland Ravatomanga fa tsy tafiditra tao anaty tetibolam-panjakanany vola nividianana ireto fiara be ireto saingy nisy ny ezaka ny amin’ny fangatahana izany tamin’ny fanjakana ka izao nivaly soamantsara izao. Ankoatr’izay dia nampitandrina izy ny amin’ireo fiarabe somary mitovitovy loko amin’ireto kamio vaovao ireto izay manao fanotorana tany amin’izao fotoana izao fa tsy hitsitsitsitsy mihitsy ny amin’izay tratra satria efa tapaka tamin’ny filan-kevitry ny governemanta fa mitsahatra tanteraka aloha izany ankehitriny.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT