Sosialy

Fanangonana fako eto Antananarivo Tsy mazavazava ny fiasan’ny RF2 sy ny fokontany sasany


  • Talata 04 Desambra 2018

Mbola tohin’ilay fitantanana fako mamofompofona politika mampifanolana ny CUA amin’ny SAMVA ve sa zavatra hafa ?

 

 

Anisan’ny fanontaniana mipetraka io manoloana ny fomba fitantanana fako iarahan’ilay rafitra amina boriborintany vitsivitsy manangona fako eto Antananarivo izay manao fifanarahana amin’ireo fokontany na ny RF2. Ity farany indray dia tsy amin’ilay malaza hoe minia manaparitaka fako amina toerana maromaro fa minia mamoaka fanapahan-kevitra mahasorena ireo mponina mihitsy. Mampitaraina ireo mponina eny Ambohitrakely eny, ohatra, ny fisiana filazana fa miala sasatra na “conge” nanomboka ny 28 novambra teo ireo mpaka fakon’ny RF2 ary ny 15 janoary indray vao handray ny asany. Tsy hisy mpaka fako izany eny an-toerana mandritr’izay fotoana lavabe izay, raha ny voalazan’ilay filazana. Voamarika ao ihany koa fa mbola maka ny latsakemboka anefa ireo tompon’andraikitra. Dia tsy misy fahafahana manao fifandimbiasana asa mihitsy ve ao amin’ity rafitra iray ity ? Sa efa fihantsiana vahoaka hitroatra ? Ny tsikaritra aloha tsy mazavazava ny fiaraha-miasan’ity rafitra RF2 ity sy ireo fokontany mbola miara-miasa aminy. Misy moa, raha ny nambaran’ireo mponina amina fokontany hafa, ireo fokontany izay efa nampiato ny fiaraha-miasa aminny rafitra RF2, toy ny eny Ambohipo sy ny manodidina.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT