Ny alarobia faha-29 aprily 2020 dia nidina an-dalambe ireo mponina voakasik’ilay tetikasa fananganana tsena manarapenitra ao Berary Ambovombe
Androy noho ny naha-tampoka loatra ny fanalana azy ireo eo amin’io toeranaz efa nisy azy ireo io hatramin’ny taona 2000 ary voasonian’ny ben’ny tanàna Mila Vonjy izay lasa solombavambahoaka ankehitriny ny nahaara-dalàna izany. Ekena, hoy Atoa Sazalahy Tsianihy filoha lefitry ny RMDM “rodoben’ny mpanohitra Atsimo Andrefana tao anatin’ny delegasiona nanadihady ny zava-nisy tany an-toerana, fa misy taratasy nanamarina fa tanim-panjakana io nitoeran’ny olona any Berary io ary mbola nisy koa taratasy hafa avy ny amin’ny tribonaly any an-toerana nandidy azy ireo hiala amin’io tany io nefa na izany aza, hoy izy, dia tsy maintsy natao ve ny fampiasan-kery diso tafahoatra natao tamin’ny vahoaka niafara tamin’ny fahafatesan’olona mihitsy ? Marihana fa iray tamin’ireo maty ireo ny filoham-pokontany tany an-toerana izay voatifitra teo amin’ny lohany. Mpivarotra hani-masaka iray ilay maty faharoa, zaza ny faha-telo ary vehivavy ny faha-4. Mampanontany tena, hoy ity mpikambana RMDM ity, ny hoe : “tombontsoa hoan’iza moa ny fampiasan-kery ? Efa fantatr’ireo mpitandron’ny filaminana tany an-toerana fa tsy afaka ny hanohatra azy ireo tsy akory ireto vahoaka ireto nefa dia natao ihany izany ary tsy nisy fanakanana avy amin’ireo mpitondra ambony any an-toerana fa toa famporisihana hoe “tifiro” aza no nataon’izy ireo. Aiza ny fanajana nyzon’olombelona amin’izany, hoy izy ? Rehefa nojerena tsara ny zava-nitranga voarakitra an-tsary “video” tamin’ity raharaha ity, hoy hatrany Atoa Sazalahy Tsianihy, dia tahaka an’ireny hoe tany misy ady izany tany amin’ity toerana ity. Averiko indray fa tena fanamparam-pahefana tafahoatra no nitranga tany Berary iny. Tsara ny manana an’izany foto-drafitrasa manara-penitra izany fa tsy mendrika kosa ny handatsahan-drà olombelona amin’ny fanatanterahana azy sady mbola be tany malalaka any Ambovombe Androy azo hananganana an’izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.