Sosialy

FANANGANANA TRANON’NY MPANJIFA Nahasola sy nahafotsy volombava, hoy Ralita Be


  • Alatsinainy 25 Novambra 2019

Ny minisitry ny Indostria sy ny varotra ary ny asa tanana Malagasy (MICA), Rtoa Rakotomalala Lantosoa, notronin’ny Talen’ny

 

 

kabinetran’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny filoha nasionalin’ny RNDC, Rakotorova Rabetsara Lita na Ralita Be, no nitarika ny lanonam-panokafana ny Tranon’ny Mpanjifa “Maison des Consommateurs”, miorina etsy Mahamasina, tamin’ny zoma 22 novambra 2019. Avy amin’ny fanomezana natolotry ny fianakaviana Ravelojaona Rambeloson 5 mianaka mpikambana RNDC monina any dilambato no nenti-nanana an’ity trano ity izay misy rihana 3 handraisana ny fitarainan’ny olona mikasika ny olan’ny fanjifana eto Madagasikara sady ho “Gîte d’étape” handraisana an’ireo fikambanana mpanjifa avy any amin’ny Faritra sy avy any ivelan’i Madagasikara. Izy ity ihany koa, hoy Atoa Rabetsara Lita, dia natao ho tetezamita mankany amin’ny tokony hisian’ny minisiteran’ny fanjifana mitokana eto amintsika. Taorian’ny nahalany teny amin’ny Antenimieram-pirenena Malagasy ny lalàna 2015-014 hiaro ny mpajifa tamin’ny 2015 izay mbola miandry didy fampiharana hatramin’izao dia ity no dingana lehibe faharoa vitan’ny RNDC hatramin’ny nitsanganany tamin’ny taona 1998 “mbola naha Rasta ahy”, hoy hatrany Rabetsara Lita, “nefa izaho izao efa sola sy fotsy volombava”. Dingana manaraka ny hananganana  Tranon’ny Mpanjifa isaky ny Faritra sy isam-paritany ary ny hanatontosana ny Kongresim-paritry ny mpanjifa eto amintsika.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT