Sosialy

Fananganana tanàna vaovao Roso hatrany ny dian’ny HAFARI


  • Alarobia 28 Aogositra 2019

Roso hatrany ny dian’ny fikambanana Hafari Malagasy amin’ny fananganana tanana vaovao sy hanampiana ny mpiray tanindrazana amin’ny asa fihariana mahavelona.

 

 

 Hanatanteraka fiofanana arahina famelabelaran-kevitra lehibe izy ireo ny zoma ho avy izao ka anisan’ny hivoitra mandritra izany ny fizarana traikefa mahakasika ny resaka fiompiana sy fambolena ho an’ny mpikambana rehetra. Tsy hijanona amin’ny fanomezana tany ho an’ireo mpikambana intsony mantsy ny Hafari manomboka eto fa hanampy ireto farany amin’ny asa fivelomana ihany hahafahan’ny isan-tokantrano miady amin’ny fahantrana. Miantso ny fanjakana mba hifanome tanana amin’izy ireo Rafanomezantsoa Jean Nirina hahafahan’ny Malagasy rehetra migoka ny tombontsoa azo avy amin’izany. Tsiahivina fa miezaka hatrany ny Hafari Malagasy manohana ireo mpiara-belona  tsy mbola manana tany sy trano hiafarana.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT