Sosialy

Fananganana tanàna vaovao Hanao fakan-kevitra ny Minisitra lefitra


  • Alakamisy 27 Aogositra 2020

Mikarakara karazana fifanakalozan-kevitra miendrika seminera amin’ny alalan’ny tranonkala na

 

 

 

« Webinar » ny Minisitra lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana manomboka rahampitso 28 aogositra hatramin’ny 01 septambra ho avy izao. Ao anatiny dingana fanatanterahana ny tetikasa tanàna vaovao, hoenti-mandrafitra ny bokin’andraikitra momba ny fandalalinana ny fanatontosana ny tetikasa filamatra no antony. Lohahevitra 5 no hojerena : Fitantanana, toekarena, tontolo iainana, Vondron’olona, ary ny teknolojia. Mbola baraingo hatreto ny fanatanterahana ny tetikasa Tana-Masoandro na eo amin’ny toerana na ny hoenti-manana ara-bola. Taorian’ny teny Ambohitrimanjaka, dia any Imerintsiatosika no voalaza fa efa jerijerin’ny fanjakana hanatanterahana izany. Ho an’ny ara-bola, dia sarotra ho an’ny fanjakana no hanana loharanom-bola azy madiodio hamatsiana azy io, na efa nambara aza tany aloha fa ny volan’ireo orinasam-panjakana toy ny CNaPS no halaina. Mety ho endrika fifanarahana fampanofana tany na « bail emphytéotique » no ho fomba fiadin’ny fanjakana, fa ny hany zava-dehibe aminy dia ny hoe : misy zavatra mitsangana eo.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT