Sosialy

Fananganana « Pylône » eny Namehana Naato aloha ny noho gidragidra


  • Alakamisy 26 Desambra 2019

Ny sabotsy lasa teo, nanohitra ny fametrahana pylône momba ny fifandraisan-davitra ny mponina tao Namehana. Nisy mihitsy ny filanjana sorabaventy naneho tsy fankasitrahana.

Nidina nijery ifotony ny raharaha ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’Avaradrano , Gerry Randriambolahaina, ny talata lasa teo. Nihaino ny olona mpanao fihetsiketsehana sy ny tompon’ny trano misy ilay pylône.  Nambaran’ity farany fa nandalo ambaratonga rehetra hahafahana manangana izany pylône izany eo ambonin’ny tranony izy ka nahazoany alalana. Nomarihany fa tsy mahazo « réseau » na fahitalavitra ny ao an-toerana ka antony ny hananganana io « pylône » io. Anisan’ireo mitsipaka maridrano izany koa ny masera ao amin’ny Ekar Namehana ho fitsinjovana indrindra ny fahasalaman’ny mpianatra marobe ao amin’izy ireo. Nandray fepetra avy hatrany ny depiote Gerry Randriambolahaina. Hisy, araka izany, fihaonana eo amin’ny sefo distrika, ben’ny tanàna, sefom-pokontany ary ity depiote ity ka hita eo izay fanapahan-kevitra ho raisina saingy kosa haato ny fananganana ny « pylône ». Marihana fa saika nantsagana tamina toerana akaiky teo io « pylône » io fa noho ny tsy faneken’ny olona hatrany dia izao nafindra tamina tranon’olon-tsotra indray.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT