Sosialy

Fananganana pylone ao Bemasaondro Itaosy Naaton’ny Ben’ny tanàna aloha


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Tapitra omaly ny herinandro, fe-potoana nomen-dRakotomandimby Jean, Ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Bemasoandro Itaosy mikasika ny fanapahan-keviny momba ilay fananganana pylone

 

 

 

ao amin’ny faritra iadidiany izay toherin’ny mponina. Nambarany omaly fa haato mihitsy aloha ny fananganana ity pylone ity  izay nialohavan’ny asa fanamboarana ilay vy misandrahaka napetraka tamin’ilay trano hasiana azy  sao mandratra olona.  Hampanao fihaonam-be indray izy ka hisy ny fiantsoana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao anatin’ny  ad hoc izay natsangana mba hitondra fanazavana amin’ny mponina sy handresy lahatra ireto farany. Tafiditra ao anatin’izany ny dokotera izay hiverina hanazava amin’ny antsipirihany ny  fiantraikan’ny pylone amin’ny fahasalaman’ireo mponina manodidina ny toerana  hametrahana azy. Nomarihin’ity Ben’ny tanana ity moa fa tetikasan’ny filoham-pirenena ny fananganana pylone tahaka izao ka tsy azony toherina. Ny filankevitry ny tanana ihany koa, hoy izy no nanapa-kevitra tamin’ny fandraisana izany fa mpanatanteraka fotsiny ny Ben’ny tanàna.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT