Sosialy

Fananantany Kara-tany 2 tapitrisa hozaraina ao anatin`ny efa-taona


  • Alarobia 18 Desambra 2019

Ny 90%-n`ireo raharaha eo anivon`ny fitsarana dia resaka fananantany ary miha mahazo vahana ankehitriny. Zo fototra izy io ary antoky ny fampandrosoana ka zava dehibe ny fampafahantarana azy eny ifotony.

 

 

 

Ny zava-misy anefa dia misy tany na trano tsy misoratra ara-dalàna amin`ny tompon-tany. Eo koa ny tsy fananana taratasy manambara fa maha tompon`ny tany, tranga mateti-piseho any ambanivohitra io. Manampy trotraka ihany koa ny tsy fahampian`ny torolalana eo anivon`ny sampandraharahan`ny fananantany.  Olana fototra ihany koa ny boky rovitra. Mitarika kolikoly ny tsy fahafantarana ireo fitsipika mifehy fikarakarana ny antontan-taratasy ka mety hiteraka fanararaotana isan-karazany. Noho izany no hanamafisana ny tetikasa iarahana amin`ireo mpiara miombon`antoka amin`ny fanamorana sy fampahafantarana fanomezana kara-tany, hoy i Hajo Andrianainarivelo, minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy. Tanjona efa napetraka tamin`ireo tetikasa niarahana tamin`ny Vondrona Eoropeanina, Banky iraisam-pirenena… ny fizarana karatany ka  manodidina ny roa (2) tapitrisa no hozaraina ao anatin`ny efa-taona. Voakasika daholo ireo faritra rehetra, hoy ihany izy. Hahafahana manatratra izany dia dingana atrehina ny fananana sarintany tena izy ka miainga avy amin`izay ny famoahana ny karatra. Nohamafisiny fa taratasim-panjakana tokana no mivoaka raha vita izany dingana izany mba tsy hisian`ny hosoka intsony. Kaominina miisa 75 eto Analamanga sy Itasy no fantatra fa nanombohana ny andrana tamin`ilay tetikasa RSF na fampahafantarana ny momba ny fananantany.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT