Sosialy

Fananan-tany Tsy andoavam-bola ny fikarakarana taratasy famindram-pananana


  • Zoma 03 Jolay 2020

Tinapaka nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra natao ny 24 jona 2020 fa ny fikarakarana taratasy momba ny famindrana ny fananantany avy amin’ny fandovana dia tsy handoavam-bola hatramin’ny 31 desambra 2020,

 

 

 

 ary tsy hisy ny fampiharana sazy amin’ny fikarakarana fanoratana na famindrana fananantany hatramin’io daty io. Nanome baiko ireo sampan-draharahan’ny fananantany rehetra amin’ny faritra 22 eto Madagasikara ny Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy mba hampihatra io fanapahan-kevitra io. Ireo antontan-taratasy rehetra hikarakarana famindram-panànana noho ny fahafatesana, voaray nanomboka ny 24 jona 2020 ka voamarina taorian’ny fanadihadiana sy fijerena araka ny lalàna fa azo raisina sy azo kirakiraina dia ho maimaim-poana avokoa ny fikarakarana azy. Ny fikarakarana taratasy momba ny fanoratana fananantany dia fehezin’ny didy hitsivolana laharana 60-146 tamin’ny 3 oktobra 1960, ary araka ny hita ao amin’ny andininy faha 9 amin’ity lalàna ity dia « voafetra tsy maintsy atao ao anatin’ny enim-bolana aorian’ny fanambarana ho fanamarinana ny fahafatesan’ny voasoratra ao anaty boky titra. Ny sarany mihatra amin’izany fikarakarana izany dia kajiana ho 2% amin’ny tetibidin’ny tany. Ho an’ny sazy raha misy fahatarana dia nofehezina ho 10% isaky ny volana fahatarana ny tataon-tsazy hatramin’ny 100% ». Maimaim-poana ireo sarany ireo izany hatramin'ny 31 desambra 2020. Manaraka ireo fepetra apetraky ny lalàna mifehy azy ireo ny famindràna hafa ary mihatra ireo vola rehetra tokony aloha amin’izany fikarakarana izany.

 Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT