Sosialy

Fananan-tany Taratasy takiana sy vola no fototry ny olana


  • Alatsinainy 13 Janoary 2020

Ny tany ifandovana dia misy fa ny fanoratana azy no sarotra. Izay no azo hamaritana ny olan’ny fananan-tany amin’ny ankapobeny eto Madagasikara.

 

 

 

Mavitrika be ireo fianakaviana am-boalohany mitsirika ny tanin-dray aman-dreny, indrindra tamin’ny nilazan’ny fanjakana fa maimaimpoana ny famindrana lova. Saingy rehefa mandeha ny fotoana dia mihakivy ny fikarakarana ka misy amin’izy ireo no tsy tody hatramin’ny farany izay natao noho ny olana ara-taratasy. Maro loatra ireo taratasy isan-karazany takiana nefa izay tsy ho hita mihitsy ho an’ny ankamaroany, ohatra ny taratasy fanamarinana maha mpandova ahitana fa taranaky ny tompon’ny tany ireo zafy aty aoriana. Raharaha be mantsy ny famoriana taranaka mpiray lova izay samy miparitaka any rehetra any. Sakana hafa ihany koa ny vola aloa izay be loatra raha ny fahitan’ny olona azy. Maro tokoa ny sara sy tataon-ketra aloa amin’ny fikarakarana tany. Ny « certificat de situation juridique », ohatra dia 2 400 ariary izay telo volana no fananany hery, ka raha tsy vita ao anatin’izay fotoana izay ny zavatra karakaraina dia voatery maka vaovao. Ny « plan » dia miainga amin’ny 5 000 ariary. Ireo no iaingan’ny fikarakarana tany amin’ny ankapobeny. Nefa dia misy fianakaviana no mandany vola ana hetsiny na tapitrisa ariary maro vao mahavita ny zavatra karakarainy. Hany ka lasan’ny mahitahita sy mpanararaotra ny tany lovan-drazana rehefa tsy manana ilay tompon-tany. Tsy mahagaga raha ahitana raharahana olan-tany eny amin’ny fitsarana. Ny politikan’ny fananan-tany taona 2015 dia natao hanamafy ny fisitrahan’ny olona ny zony amin’ny tany sy handrindrana ny fomba fitrandrahana ny tany amin’ny seha-pihariana samihafa. Misy, araka izany, ny didy aman-dalàna mifehy ny fananan-tany saingy tsy fantatry ny ankamaroan’ny olom-pirenena izany ka mampikorontana ny fiarahamonina sy mahavery ny taniny. 

Tranga matetika fahita ny famarotana indroa ny tany iray taratry ny fisiana kolikoly ; ny fanampenan’ny tompon-tany sasany ny lalana miditra amin’ny tany iray, ny tsy fahampian’ny mangarahara amin’ny fakana tanin’ olon-tsotra ; ny tsy fananan’ ny nanajary ny tany porofo an-taratasy ny tany.

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT