Sosialy

Fanampina tsiro hatao amin’ny sakafo Mety hitarika « insuffisance rénale »


  • Alarobia 22 Febroary 2023

Mitombo isa hatrany ireo olona lasibatry ny faharerahan’ny voa na ny insuffisance rénale amin’izao eto amintsika.

Tsy mifidy taona intsony izy io na kely na lehibe fa saika lasibatra avokoa ny rehetra ka misy mihitsy ireo mamoy ny ainy tsy fidiny. Raha araka ny fanazavan-dRandimbison Rija, mpitsabo eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana dia antony maro no mahatonga izany. Ho an’ny ankizy madinika ohatra dia vokatry ny fihinanana ireo ody vavony matetika misy akora simika no mahatonga izany. Eo ihany koa ny fihinanana paty amin’ny endriny maro samihafa. Ho an’ireo olon-dehibe kosa indray dia anisan’ny antony mahatonga izany ny fahazarana mihinana fanampina tsiro hatao amin’ny sakafo indrindra fa ny laoka. Eo ihany koa ny tsy fisotroana rano, ny fihinanana kitonotono miaraka amin’ny zava-pisotro misy alikaola ho an’ny lehilahy….Ny fahaizana mandanjalanja ny sakafo hohanina ihany araka izany no vahaolana hahafahana miady amin’ny aretin’ny voa hoy hatrany ity mpitsabo ity. Vahaolana arosony araka izany ny tokony hisotroana rano betsaka sy hihinana sakafo natoraly ahitana ny legioma sy ny voankazo.
Pati
Legende : Mila fitandremana ny fihinana ireo karazana paty hita sy miparitaka eny an-tsena
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT