Sosialy

Fanampin-tsakafo « Plumpy Sup » Tsy azo amidy intsony any Betroka, ahoana ny eto Antananarivo ?


  • Alakamisy 16 Martsa 2023

Voarara ny fivarotana ilay fanampin-tsakafo « Plumpy nut » sy « Plumpy Sup » amin'ny endriny maro samihafa any amin’ny distrikan'i Betroka.

Raha araka ny fantatra dia ireo mpiasan'ny fahasalama irery ihany no mamaritra sy manome azy io ho an'ireo zaza tsy maintsy mihinana azy izay marihina fa misy fambara tratry ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa. Tsy hohanin-kanim-poana ny Plumpy nut sy Plumpu Sup araka izany. Ny mahavariana anefa dia miparitaka eto an-drenivohitra ihany koa izy io toy ny hita eny Anosibe sy ny manodidina eny. Alan’ireo mpivarotra ao anaty tranony izy ireny dia karakarainy ary hamboarina ao anaty boaty na koveta kely. 50 Ar ny eran’ny sotrokely amin’izany raha ambaran’izy ireo fa 10.000 Ar kosa no hividianany ny iray fonosana lehibebe milanja 1 kg eo ho eo. Saika variana mividy ity plumpy ity mba hatao ody vavony avokoa ireo ankizy madinika mpianatra noho izany , indrindra mahita mpivarotra manaiky vavahadin-tsekoliny. Tsy ho an’ny distrikan’i Betroka irery araka izany ny tokony hanaovana fanaraha-maso fa eto an-drenivohitra ihany koa. Hisy moa ny fepetra horaisina ho an'ireo izay tratra mivarotra io fanampiana io any Betroka izay fantatra fa fanampiana tsy azo amidy satria fanomezana avy amin’ny mpiara-miombon'antoka amin’ny fanjakana Malagasy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT