Sosialy

Fanampian’ny PAM halefa any Taolgnaro Nifandiso ka lasa tany Amboasary Atsimo


  • Alatsinainy 13 Martsa 2023

Nisy tsy fifankazahoan-kevitra izay saika nivadika ho fifandirana mihitsy teo amin’ny lehiben’ny Faritra Anosy sy ny solombavambahoaka iray voafidy tany an-toerana.

Raha araka ny fantatra mantsy dia lasa tany amin’ny kaominina ambanivohitra Antanandava Atsimo, distrikan’Amboasary Atsimo ilay fanampiana ara-tsakafo avy amin’ny PAM na ny Fandaharan’asa iraisam-pirenena momba ny sakafo tokony ho an’ireo mponina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antananandava Atsimo Mandrere, distrikan’i Taolagnaro. Ny 07 Martsa teo no nitrangan’izany, fanampiana ahitana vary milanja 34 taonina, menaka an-jatony litatra ary voamaina an-taoniny maro sy fanampin-tsakafo ihany koa. Nanambara moa ny teo anivon’ny PAM fa tsy fahadisoan’ity lehiben’ny faritra iray ity velively izany fa nisy avy amin’izy ireo ihany koa. Na izany aza miantso ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antanandava Atsimo Amboasary Atsimo ny tenany mba hamerina ireo fanampiana diso fiantefa lasa any amin’izy ireo ireo.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT