FANAMPIAN’NY FID-FENOARIVO

Tsy tafiditra ao anaty lisitra ny ankamaroan’ireo tena sahirana…


  • Talata 11 Febroary 2025

Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny lisitr’ireo olona tokony hisitraka ilay fanampiana avy amin’ny FID

ao anatin’ny Fokontany Fenoarivo, kaominina Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano. Raha araka ny fitarainan’ireo mponina anefa dia ireo tena sahirana indray no tsy tafiditra ao anaty lisitra. Lohalaharana amin’izany ireo zokiolona nilahatra nanomboka tamin’ny 12 ora alina niandry ilay fanadihadiana nataon’ny FID mikasika ny mombamomba azy ireo. Toraka izany koa ireo mitaizakely tena sahirana no sady tsy an’asa miandrandra fanampiana haodina hanatsarana ny velontena isan’andro. Tonga nidodododo tao amin’ny Fokontany avokoa izy ireo omaly Alatsinainy 10 Febroary maraina vokatr’izany nametraka fitarainana. Amin’ny ankapobeny tokoa mantsy dia natokana ho an’ny olona sahirana itony karazana fanampiana avy amin’ny FID itony. Ireo zokiolona tsy manana fidiram-bola, manofa trano, mitady ny hanin-kohaniny isan’andro, ireo vehivavy sy lehilahy tsy an’asa saingy manam-piniavana ny hiady amin’ny fiainana….Andrasana araka izany izay mety ho vokatr’ity fitarainana hataon’ny mponina ao Fenoarivo Atsimondrano amin’ny FID ity. Hirariana ihany koa ny hahafehezan’ireo izay mikirakira ny antontan-taratasy nanaovana ny fanadihadiana natao azy ireo mba ireo tena tokony hisitraka izany no hahazo izany.
Pati
Legende : Nirodorodo nitaraina tao amin’ny Fokontany ny ankamaroan’ny olona omaly maraina !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT