Sosialy

Fanampiana zaza marary Nanavao ny fiaraha-miasany ny Star sy ny Compassion Madagascar


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Betsaka ireo olona tsy manana fahafahana hitsaboana tena intsony ankehitriny noho ny hasarotan’ny fiainana, voakasik’izany ny ankizy madinika.

 

 

 

 

Ny 70%-n’ireto farany miditra eny anivon’ny hopitalim-panjakana mantsy dia fantatra fa avy amina fianakaviana sahirana avokoa. Izany indrindra no antom-pijoroan’ny fikambanana Compassion Madagascar tarihin’ny dokotera Elodia Ranjanoro. Tamin’ny taona 2017 ny fikambanana no nanomboka nanampy ny ankizy ka ankizy miisa 25 isam-bolana ireo raisiny an-tanana mivantana izay nahatratra 293. Ny taona 2018 kosa izy no nanomboka niara-niasa tamin’ny orinasa Star, antony nahafahany nividy rononon-jaza, couche, fanafody ho an’ireo tena sahirana. Nahatratra 953 vokatr’izany ireo nokarakaraina sy notsaboina tamin’ny taona 2018 lasa iny. Nanavao ny fiaraha-miasany indray ny roa tonta omaly. Teny Andraharo no nanatanterahana ny lanonana mifandraika amin’izany. Tsiahivina moa fa  fanampiana y mitentina 5 tapitrisa ariary isam-bolana no hatolotry ny orinasa Star ny fikambanana Compassion Madagascar.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT