Sosialy

Fanampiana tamin’ny “madco” sy kapsily Henjehin’ny Fanjakana ilay namoaka ny zava-nisy…


  • Alatsinainy 21 Febroary 2022

Nahazo fampiantsoana na “convocation” avy amin'ny Polisy i Andry Tafaray, ilay mpanakanto, izay namoaka sary sy horonan-tsary tamin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny fanampiana vary nafatra tamin'ny “madco” sy menaka nafatra tamin'ny kapsily tany Ikongo Fort Carnot.

Raha zohiana, toa raisin’ny Fitondrana ho fanalam-baraka azy ny zava-misy, ka ny fanenjehana na ramatahora ho an’izay namoaka ny vaovao no hihazakazahana. Efa nanala tena ny Birao misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) fa tsy izy no nizara izany, ary izay no ilàna ny fandaminana sy fandrindrana miainga amin’izy ireo, fa tsy tokony ho ny tsy miankina no hizara izany. Nikorapaka sy tena niezaka nitondra fanampiana araka ny tokony ho izy sy mifandanja amin’ny tena filam-bahoaka ve ny Fanjakana raha tsy nivoaka iny sary iny ? Zava-misy niainan’ny vahoaka ireny, ary tena nisy, ka ny fanenjehana na fandrahonana izay namoaka azy ve no vahaolana. Tetsy andaniny, nanao antso ho an’ny vahoaka na ilay antsoina hoe “koka” ny Raiamandreny tao Ikongo mba hiara-hanatitra an’i Andry Tafaray tany amin’ny Kaomisaria ary haneho firaisan-kiana sy fiarovana azy. Tsy tongatonga ho azy izany matoa efa ireo Raiamandreny ara-drazana to teny no mijoro. Tena hitondra tombotsoa politika ve ny karazana fandrangarangana hery sy sazy tahaka izao sa fananganam-pahavalo ankitsirano? Misy mampijabaka mihitsy ve ny Filoha na ny Fanjakana amin’ity raharaha Ikongo toa misesy ity sa dia efa izay mihitsy ny fomba fiasa sy paikady ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT