Saika mianto-tena avokoa ny antsasak’ireo tantsaha mpamokatra mampiranty
etsy amin’ny kianjan’ny MAKI Andohotapenaka mandritra ny FIER MADA andiany faha-26 izay nanomboka omaly 6 hatramin’ny Alahady 10 Aogositra 2025. « Efa betsaka amin’izy ireo no nahazo tombontsoa nandritra ny andiany teo aloha ka tsy miankina be intsony amin’ny mpikarakara sy ny tetikasa isan-karazany » hoy Atoa Jacques Ramanantsoa, filoha nanangana ny Fier-Mada. Fanentanana sy fanasongadinana ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra manerana an’i Madagasikara no tena antom-pisian’ny tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny tantsaha mpamokatra FIER-MADA isan-taona hoy izy fa tokony miainga avy amin’ny fitondram-panjakana indrindra ny Minisiteran’ny Fampandrosoana ny Varotra sy ny fanjifana ny fijerena ny laharam-pahamehana ho an’ny tantsaha manerana an’i Madagasikara. Nanamafy ny tokony hamerenena ny tsenan’ny kaominina ny « hall d’information », misy ireo lalam-barotra samihafa ity filohan’ny FIER MADA ity. Izany indrindra no nametrahany ny loha-hevitra hoe « apetaka eny amin’ny tsenan’ny kaominina ireo lalam-barotra anatiny sy ivelany ho fampivelarana ny famokarana eny ambanivohitra ». Mila haverina sy hamafisina ny « information commerciale » ho an’ny firenena te-handroso ka ny Minisitera mihitsy no tokony hanao azy hoy hatrany ny fanazavana. Trano eva miisa 450 izay ahitana solotenan’ny tantsaha avy amin’ny faritra 24 eto Madagasikara moa no mandray anjara amin’ny FIER-MADA andiany faha-26. Legende : Jacques Ramanantsoa, filoha nanangana ny Fier-Mada.
Lalaina RAV
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.