Sosialy

Fanampiana ny reny sy ny zaza Hiara-kiasa ny Pavillon Sainte Fleur sy ny gazety Jejoo


  • Zoma 27 Septambra 2019

Tontosa omaly tetsy amin’ny Phô Resto tetsy Bel’Air Ampandrana ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa lehibe eo amin’ny gazety Jejoo sy ny Pavillon Sainte Fleur.

 

 

Hiompana amin »ny ara-pahasalamana amin’ny alalan’ny tanjona iraisana dia ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza malagasy ary hampiroborobo ny fahalalan’ny reny mitaiza. Efa  20 taona nisiana teto amintsika ny Pavillon Sainte Fleur, toeram-pitsaboana mandray ny reny sy ny zaza malagasy, izay tantanin’ny Ordre de Malte hita amina firenena 26, raha ny fanazavan’ny Talen’ny Pavillon Sainte Fleur, Eric de La Rochefoucauld. Manana mpiasa 110  eo, ka mahatratra 3200 isan-taona, ary mahavita fampiterahana  amin’ny alalan’ny fandidiana 1200 eo ho eo isan-taona ihany koa. Hanampy  ny Jejoo amin’ny tolo-kevitra momba  lahatsoratra mikasika ny fahasalamana, indrindra fa momba ny reny sy ny zaza ny Pavillon Sainte Fleur, ary hanao fanentanana amin’ny alalan’ireo mpankafy azy mivondrona ao anatin’ny « Club Jejoo » kosa ny Jejoo ary tsy hikely soroka amin’ny asa sosialy azo atao, hoy ny tonian-dahatsoratra, Lala Tiana Ramalanjaona.  Herintaona ny fifanarahana ary irariana mba hitohy sy hihamafy, hoy hatrany izy. Ao anatin’izao fanamarihana ny faha-20 taonan’ny Pavillon Sinte Fleur izao ihany koa, dia ny Jejoo no hiantsoroka betsaka ny serasera samihafa.  Hisy ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana  hatao ny 11 oktobra izao eny amin’ny tokotaniben’ny hopitaly HJRA, arahin’ny lanonana hatao eny amin’ny Espace Yandi By-Pass ny 7 novambra. Hanao asa sosialy ho an’ireo mpiasan’ny Pavillon Sainte Fleur amin’ny alalan’ny fitsidihana ny Akamasoa sy ireo ankizikely mitsabo tena noho ny homamiadana ao amin’ny hopitaly HJRA. Hanome ra an-tsitrapo ho an’ny foiben’ny fitahirizan-dra ao amin’ny HJRA, izay isan’ny manampy betsaka ny Pavillon amin’ny asa iantsorohany.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT