FANAMPIANA NY MPIARA-BELONA

Nanohana ireo mpanome an-tsitrapo ny Star


  • Talata 18 Jona 2024

Nanohana akaiky ireo mpanome ra an-tsitrapo ny orinasa Star.Niara-niasa tamin’ny

Centre régional de transfusion de Sanguine Analamanga” tao amin’ny CHU JRA Ampefiloha izy ireo tamin’ny datin’ny 14 Jona lasa teo ary nanolotra zava-pisotro mamy ho an’ireo tonga teny an-toerana tamin’io andro io. Ankoatra izay dia mpiasan’ny orinasa STAR amin’ny toerana samihafa ihany koa no nandray anjara an-tsitrapo nanome rà tamin’ny toeram-piasàna samihafa toy ny teny amin’ny foibe, ny masoivohon'Andranomahery, ny masoivoho Tanjombato, ny masoivoho Morondava, ny masoivoho Toliara ary ny any Antsirabe izay ozinina mpamokatra labiera, sampana lojistikla ary MALTO. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo toeram-pitsaboana sy hopitaly teny an-toerana nafahana nanantanterahana izany. Zava-dehibe ho an’ny STAR ny fanohanana ny mpanome rà entina hanatsàrana ny fandraisana an-tanana ireo marary amin’ireo toeram-pitsaboana ireo. Tsiahivina moa fa paosin-dra miisa 120 isan’andro raha kely no ilain’ny hopitaly HJRA Ampefiloha hanavotana ireo vehivavy saro-piterahana sy ireo olona lasibatry ny lozam-pifamoivoizana ary ireo marary mafy mila fandidiana.
Pati
Legende : Nanome ra ihany koa ny mpiasan’ny orinasa Star !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT