Sosialy

Fanampiana ny Kere Nivondrona anaty hetsika Tsioka Atimo ireo mpanakanto


  • Zoma 13 Novambra 2020

Tanora maromaro, mpikarakara hetsika ara-javakanto maromaro no nivondrona ao anatin’ny hetsika antsoina hoe « Tsioka Atimo » ahafahana manampy ireo mpiray tanindrazana Kere any atsimon’ny nosy.

 

 

Araka ny fanazavan’izy ireo tetsy amin’ny Teinturerie Ampasanimalo omaly dia fotodrafitrasa miisa 3 no nivondrona ho iray mba hahafahana mifanohana amin’izay havantsika any atsimo izay. Mpanakanto maromaro toy ny mpanao mozika dia ry Jao mpiarakandro, Jah roots, Masimanjaka, Rapo atlas sy mpandihy toy ny Kaompania Rary ary ny mpiangaly akanjo toa an-dry Dis local, Hazavana initiative ary Velohary. Ny 14 sy 15 novambra izao moa no hanatontosana ny hetsika eny amin’ity toerana ity sy eny amin’ny La ligalaise Ampandrana. Hisy varotra fampirantiana kanto maro mandritry ny hetsika ary miampy varotra fampirantiana fanomezan-tsiro sakafo sy dite ary voankazo miahy sy zava-mahasarika ny sokajin-taona rehetra. Tanjona ny hahazo izay voatsirambin’ny tanan’ireo afaka manome fanampiana ny havantsika, hoy ny fanazavana, sy hanehoana afaka miray hina amin’ny rehetra ny mpanakanto. Raisina an-tanan-droa avokoa, hoy ny tomponandraikitra, Tanjona Rabearivony, na sakafo ilaina an-davanandro na lelavola.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT