Sosialy

Fanampiana noho ny loza voajanahary Nanolotra 5 tapitrisa dolara ny Amerikanina


  • Alatsinainy 04 Aprily 2022

Manome 5 tapitrisa dolara fanampiny ny Governemanta Amerikana ho an'olona 150.000 niharam-boina tamin’ny rivodoza.

 Famatsiam-bola vaovao ho an'ny Firenena Mikambana sy ny Vokovoko Mena (Croix Rouge) no manamarika fitomboana avo folo heny amin'ny fanampiana avy any Etazonia. Iray volana taorian’ireo rivodoza nisesisesy nahafaty olona tany amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, dia mbola miatrika fiainan-tsarotra hatrany ny ankabeazan’ireo niharam-boina. Manoloana izany dia manome vola 5 tapitrisa dolara fanampiny ho an’ny fanampiana ara-tsakafo, trano, ara-pahasalamana ary fidiovana ny vahoaka amerikana amin’ny alalan’ny USAID (United States Agency for International Development). Homena ny PAM (Programme Alimentaire Mondial), UNICEF, ary ny Federasiona Iraisam-pirenen'ny Vokovoko Mena (Croix rouge). Fitohizan’ny fanampiana teo aloha izay efa nitentina 500.000 dolara izy io mba hanampiana bebe kokoa ireo olona simba ny tranony sy ny fiainany amin’ny ankapobeny. “Noho izany fanampiana izany dia nampitombo avo folo heny ny fanoloran-tenany i Etazonia ho an’ireo olona rava trano sy rava fivelomana noho ity tafiotra mahery vaika namely ny faritra atsimon’i Madagasikara ity”, hoy ny Mpiandraiki-draharaha Amerikana Amy Hyatt. “Toy ny ‘Mpirahalahy Mianala’ ny vahoaka amerikana miara-mijoro amin’ny vahoakan’i Madagasikara amin’izao fotoan-tsarotra izao”. Ny ampahany betsaka amin’ny famatsiam-bola 3 tapitrisa dolara, dia hanomezana vary 1.200 taonina, voamaina ary menaka be otrikaina ho an’ireo traboina ao amin’ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana, hozarain’ny PAM. Izany dia hatolotra olona miisa 26.000 mahery mandritra ny telo volana. Tokantrano 17.300 (manodidina ny 86.000 olona eo ho eo) no hahazo fanampiana ara-bola mandritra io fe-potoana io. 700.000 dolara indray no hampiasain’ny UNICEF amin’ny fanomezana rano sy fitaovana fidiovana ho an’ny olona miisa 20.000 ao Nosy Varika, Mananjary ary Vohipeno.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT