Sosialy

Fanampiana ireo zaza sahirana sahanin’ny Ong Manda Hikarakara fampisehoana hiarahana amin’i DO B ny Airtel


  • Alakamisy 15 Novambra 2018

Betsaka ireo ankizy sahirana tsy manam-piahy eto an-drenivohitra. Anisan’ireny ireo mpatory an-dalana izay sady tsy afaka miditra any an-tsekoly no tsy misy mpiahy ihany koa.

 

 

 

 

 Miisa 300 izy ireo no sahanin’ny ONG Manda mivantana ankehitriny, ampianarina sy tohanana mba hahafahany mivoatra amin’ny fiainana. Anisan’ny manohana azy ireo akaiky ny orinasam-pifandraisana Airtel izay marihina fa mitsinjo hatrany ny maha olona, indrindra fa ireo fianakaviana sy ankizy sahirana. Hikarakara fampisehoana maimaimpoana entina hanampiana ny ONG Manda izy ireo ny sabotsy 17 novambra ho avy izao. Etsy amin’ny CGM Analakely no hanatanterahana  izany manomboka amin’ny 3 ora folakandro.  Ny tarika DO B ahitana ireo tanora mpanakanto mivoy ny gadona Hip-hop no hanome aina ny lanonana, izay marihina fa tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fahadimy taona nijoroan’ny tarika. Ankoatra ity tarika ity dia hanana vahiny  miisa valo tsy hampoizina izy ireo dia ireo mpanao rap malaza eto amintsika, ny mpandihy, ny mpitendry valiha … Afaka mandrotsaka izay foiny entina hanohanana ireo ankizy sahirana ny malalatanana sy ireo mpankafy tsy an-kanavaka amin’io sabotsy io.

 

 

 

 

 

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT