Sosialy

Fanampiana ireo traboina Tonga ny sambo lehibe avy any Inde


  • Alatsinainy 03 Febroary 2020

Noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny Masoivohon’i Inde eto Madagasikara Atoa Abhay Koumar ny faran’ny herinandro teo tao

 

Antsiranana ilay sambo nitondra fanampiana avy amin’ny governemanta Indianina entina hanampiana ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny andro ratsy. Fanampiana izay natolotry ny Ambasadaoron’i Inde, Atoa Abhay Kumar nahitana vary, fanafody, ronono, lamba firakotra sy fitafy ary kojakoja isan-karazany ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Santionany, hoy ity Ambasaodaro ity, ireo tonga ireo fa mbola misy ny fanampiana azo entina. Miankina amin’ny tena filan’i Madagasikara izany, hoy izy,  indrindra fa ireo faritra izay tena voa mafy noho ny fandalovan’ny andro ratsy teo. Ankoatra izay dia mandray ireo olona rehetra mila fitsaboana ny “équipe médicale” ao amin’ity sambo ity, mandra-pialany eo amin’ny seranana. Ny Praiminisitra kosa dia mbola nanamafy hatrany fa hotsinjaraina araka ny tokony ho izy ireo fanampiana ireo ary nankasitraka ny fanomezan-tanana nataon’ny governemanta Indianina. Nandritra  ity diany tany Antsiranana ity no nilazany fa tsy tokony hiandrasana ny fanjakana foibe ny fanatanterahana ny vinam-pampandrosoana fa mila mandray izay andraikitra sy adidy tandrify azy avy hatrany ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany. Nambarany fa maromaro ny fanarenana sy fanatsarana hotanterahin’ny fitondram-panjakana, toy ny Jirama, ny fametrahana orinasa mpamokatra fanafody eto Madagasikara, ny fonja vaovao isaky ny renivohi-paritany, ny “Centre d’Urgence” eny anivon’ny distrika, ny ivontoerana fanadiovana ra ho an’ireo marary voa, ny fametrahana “lycée de reference” ho an’ny zanaka Malagasy, izay efa manomboka ankehitriny, ny handraisana fepetra amin’ireo faritra voaaro, ny hamitana kianja manara-penitra ao Antsiranana sy ny fanatsaràna ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena,...

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT