Sosialy

Fanampiana ireo traboina Mihetsiketsika Ravalomanana sy ny RMDM


  • Alatsinainy 14 Febroary 2022

Mitety faritra , mijery ny zava-misy no sady manampy amin’ny fanareana no mizara izay voatsirambin’ny tanana ho an’ireo traboina noho nyfandalovan’ny rivodoza Batsirai farany teo ny filohan’ny TIM Marc Ravalomanana sy ny avy

 ao amin’ny RMDM. Anisan’ny efa voatsidika izao ny herinandro lasa iny i Moramanga izay nisy fanomezana ho an'ireo traboina sy sahirana nataon’ ny GTT Diaspora RMDM La Réunion mba hanalana fahasahirana azy ireo, Fijerena ny lafiny sosialy dia ny fitsinjovana ny mpiray tanindrazana tratry ny fahasahiranana no antony hoy ireo mpikarakara ary nofidiana manokana i Moramanga satria tena isan’ny nitondra takaitra taminy rivodoza nisesy teto aminy firenena. Nitsidika ny faritra Matsiatra Ambony, Vatovavy, fitovinany ihany koa i Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy toa ny sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro, nyfilohan’ny vondrona parlemantera TIM Fetra Ralambozafimbololona.Tonga aho hijery ny takaitra navelan'ny rivodoza Batsirai, no sady mitafa sy mihaino ny fitarainan'ireo vahoaka amin'ny fahasahiranany manoloana ny fahapotehan'ny seha-pamokarana izay fototra iveloman'izy ireo, hoy i Dadavalo. Mbola anisan'ny olana goavana eo an-tampon-tanànan' ny Mananjary ny fisian'ny hazo manakana , ka tsy ahafahan'ny fiara mivezivezy. Tsy niandry Ravalomanana sy ny ekipany fa tonga dia nanentana sy nandray anjara tamin'ny fanesorana ireo sakantsakana. Anisan'ny nanamora ny asa ny fitondrana ireo fitaovana manaraka ny teknolojia. Ankoatr’izay, dia niara-nientna tamin’izay asa fanadiovana sy fanarenana tany Mananjary izao ihany koa ny Tily sy ny Mpanazava .Nojerena ihany koa ny tao Ambatofaritana , 40 km alohan'ny Mananjary. Simba tanteraka ny 90 % ny famokarana, noho izany dia tsy hisy ny jirofo, ny lodsia, ny lavanila hoy ny fitarainana heno teny rehetra teny, raha ny fanazavan’i Marc Ravalomanana. Nanome fanampiana ny tenako hanarenana ireo Trano Be ao amin'ny tanànan'Ambatofaritana, hoy izy. Izay vita no atao, ary zava-dehibe ny fiaraha-mientana sy ny fifanampiana ho an’ny Tiako I Madagasikara sy ny RMDM ary ireo mpiara-dia aminy.Hita ho tena mihetsiketsika izy ireo ary mbola hitohy ny fitetezam-paritra hanampiana ireo mpiray tanindrazana tsy misy kabary firy fa fijerena ifotony ny zava-misy ary tonga dia arahina asa.Maro hatrany ireo olona miantso fanohanana sy fanampiana amin’i Marc Ravalomanana amin’ireo toerana lalovany.Mbola tena mila anao izahay , hoy ireo vahoaka ireo izay tena anaty fahasahiranana. Mifanampyy aloha isika izao, fa mbola hafa koa ny ampitso ary isika tsy tompon’ny ampitso fa dia mila manam-pinoana hatrany, hoy i Marc Ravalomanana.

Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT