100 000 ireo mpiasa very asa nanomboka tamin’ny fiandohan’ny krizy, araka ny tatitry ny GEM na ny Vondron’ireo Orinasa eto Madagasikara.
Nihena hatrany amin’ny 54% ny tahan’ny fanondranana ny jolay, tombanana hiakatra 60% amin’izao, raha ho an’ny fanondranana akanjo sy fitafy fotsiny. Tsy mitsahatra ny krizy, tonga hatramin’ny fanakatonana orinasa. Natao daholo ny alanenina rehetra ahafahana manampy ny mpiasa amin’ny sehatra manara-penitra sy tsy manara-penitra, ary nisy ny antso avo tamin’ny fitondram-panjakana. Tsy nisy valiny loatra, ka nandray andraikitra ny orinasa rehetra, nanao tolo-tànana nahafahana nanao erikerika maha-tondra-drano, hoy ny Filohan’ny GEM. Orinasa 52 mpikambana ao amin’ny GEM no nandray anjara, ka nahatratra 300 tapitrisa ariary no voaagona, hanampiana ny mpiasa marefo. Tsy vola ihany fa nisy nanolotra fitaovana, nampindrana fiara, nanome toerana nahafana nitahiry ireo fanampiana,…. Efa misy ny masontsivana ho an’ireo mpiasa marefo hisitraka izany, izay eo amin’ny 2000 eo. Nanolo-kevitra ny fitondram-panjakana ihany koa ny GEM fa tokony hifantontaka amin’ny fanarenana ara-toekarena ny tetibolam-panjakana 2021, ary tokony hamoraina ny fahafahan’ny orinasa Malagasy mindram-bola amin’ny banky.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.