Sosialy

Fanampiana ireo marefo Hanolotra 100 000 ariary mandritra ny roa volana ny Amerikanina


  • Alarobia 12 Aogositra 2020

Ny governemanta amerikanina, tamin’ny alalan’ny sampandraharaha Amerikana ho amin’ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) dia nanolotra vola 5 tapitrisa dolara hanohanana ny “programme de transfert monétaire” na ny fandaharan’asa fandefasana vola,

 

 

 ho an’ny olona miisa 323.000 eto amin’ny tananan’ Antananarivo, Fianarantsoa, Toamasina, Moramanga, Taolagnaro, ary Manakara.Ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo (PAM) no mitantana sy mizara io fanampiana amerikanina io. Isan’ny paik’ady novolavolain’ny governemanta eto Madagasikara ny “programme de transfert monétaire ” ka hisitraka vola 100 000 ariary mandritra ny roa volana ireo fianakaviana voakasika amin` izany. Ity tetikasa ity dia hanao laharam-pahamehana ireo olona miasa amin’ny sehatra tsy ara-dalàna, izay avy amin’ny fianakaviana ahitana ankizy na beantitra na olona misy fahasembanana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT