Sosialy

Fanampiana ireo faritra traboina I Inde no voalohany nanohina ny antso


  • Zoma 31 Janoary 2020

Efa any Antsiranana ny sambo indiana mitondra ireo fanampiana ho an’ireo faritra tena voa mafy tamin’ireny andro ratsy ireny, hoy ny nambaran’ny Ambasadaoron’i Inde, Abhay Kumar tetsy Tsaralàlana omaly.

 

 

Ahitana fanafody, vary, fitafiana, bodofotsy sy rano fisotro madio izany ary misy sambo kely 6 haingam-pandeha hizara amin’ireo faritra tena lasibatra. Tsy niandry ela izahay vao nandre ny antso avo nataon’ny fitondrana Malagasy, hoy izy satria efa lalim-paka ny fifandraisana ary mpifanolo-bodirindrina rahateo i India sy Madagasikara. Na izany aza dia miara-miasa tanteraka amin’ny Birao Nasionalin’ny Fitantanana ny Loza Ara-boajanahary (BNGRC) ireo solontena avy any India amin’ny fizarana ny fanampiana. Miisa 60 ireo olona avy any India miasa any Antsiranana ary misy dokotera sy ekipa medikaly maro. Nanararaotra nilaza ireo fiaraha-miasa misy amin’ny governemanta Malagasy ihany koa Atoa Abhay Kumar. Amin’izao fotoana izao dia hamafisina hatrany ny fiaraha-miasa satria amin’ny herinandro ho avy izao dia ho any India ny minisitry ny fiarovam-pirenena Malagasy hanatrika fampirantiana ary hihaona amin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena Indiana. Fifanampiana  ho fampandrosoana ara-toekarena hatrany no tanjona ary sehatra maro samihafa no hokitihana. Miezaka ny manakaiky ny firenena Malagasy amin’ny fomba rehetra i Inde araka ny tatitra omaly ihany. Andrasana ihany koa ny vokatry ny famatsiam-bola nampiroboroboana ny sehatra fambolena izay nanomezana 20 tapitrisa dolara .

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT