Sosialy

Fanampiana ho an’ny tratry ny kere Hanatitra mivantana any Atsimo i Dada


  • Alatsinainy 14 Desambra 2020

Vary an-taoniny maro, ronono 400 000, rano fisotro 1hetsy, savony,…. ankoatra

 

 

ny fanampiarana ara-bola nomen’ireo mpiara-dia sy avy aminy no voaagona tamin’ny tsingerin-taona nahaterahan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny sabotsy teo, ary izy no hanatitra izany any Atsimo. “Haterintsika mivantana ny fanampiana, tsy nangataka tamin’ny Fanjakana aho hoe omeo vola aho hateriko any, tsy nangataka tamin’ny Minisiteran’ny mponina aho,… fa ahy, fitiavako, tsy ho marihiko izany fankalazana izany satria misy vahoaka mpiray tanindrazana any mahantra. Tena handeha aho fa asakasakareo na ahoana na ahoana fa mijaly ireo mpiray tanindrazana amintsika ireo. Tsy maintsy tonga any amin’izay hanaterana azy, ary aza manahy fa tsy hisy banga na ariary aza. Vitantsika ny mampihinana ireo olona mampalahelo ireo”, hoy ny Filoha teo aloha. Asa indray izay mety ho endrika sakantsakana satria tsy hahafaly ny Fitondrana mihitsy ny zavatra ataon’I Marc Ravalomanana, izay antondraharaha iray ho an’ny mpitondra ny manenjika sy manao andrimaso azy.

MBOLA HO MAFY NY AMIN’NY TAONA HO AVY

 Mikasika ny fahasahiranan’ny firenena amin’ny ankapobeny, dia nahitsy I Marc Ravalomanana naneho fa diso ny paikady entin’ny Fanjakana. Tsy izao ihany isika no ho sahirana, fa amin’io taona ho avy io, hoy izy. Anton’izany ny tsy fiasan’ny orinasa nandritra ny valo volana, tsy fihodinan’ny sehatra tsy miankina, fikatonan’ny orinasa tamin’ity taona 2020 izay izao vao misy fiantraikany. Tsy nisy anefa ny paikady mazava hanarenana sy hanavotana ny toekarena. Na hitaky hetra etsy sy eroa aza tsy hampiova zavatra firy, ka somary nitondrany vazivazy hoe andraso eo Paoly.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT