Sosialy

Fanampiana ho an’ny taksibe Hatao lohalaharana ny an’ireo nihazona ny saran-dalana 400 Ar


  • Alatsinainy 24 Septambra 2018

Vitsiana sisa ireo koperativa tsy nanondrotra ny saran-dalany ho 500 Ar eto an-drenivohitra hatramin’ny fiandohan’ny volana septambra no ho mankaty.

 

 

 

 

 

   Efa misy mihitsy aza ireo nampiakatra izany ho 600 Ar toy ireo taksibe laharana 114 mampitohy an’Analakely sy Ambohijanahary Antehiroka. Nivoaka tamin’ny fahanginany manoloana ireny fihetsika ireny ny tale jeneralin’ny antokon-draharaha  misahana ny fitaterana an-tanety Atoa  Reribaky Jeannot ny sabotsy teo. Nambarany  fa mitohy hatrany ny fanampiana omen’ny fanjakana azy ireo na tara aza ka tsy hitany loatra izay antony nanosika ireto farany hanondrotra saran-dalana. Tsy hotapahana ny fanampiana azy ireo saingy hahazo tombony sy ho lohalaharana kosa ireo mbola mitazona ny saran-dalana 400 Ar raha vao mivoaka ny vola fanampiana. Nidina ifotony nandrotraka ranom-panafody teny amin’ny Fasan’ny Karana ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety ny sabotsy teo hoenti-miady amin’ny aretina pesta. Anisan’ny toerana tena be olona mpivezivezy indrindra ny eny ka tsy maintsy vonoina avokoa ireo karazana mikraoba mihaodihaody mety hateraky ny loto. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa horaisin’ny komity mpitantana ny tobim-piantsonana avokoa ny anaran’ireo mpandeha mivezivezy manomboka izao hahafahana mijery ny toerana niavian’ilay olona raha sanatria ka misy trangan’aretina. Efa eo am-panomanana izany ity komity ity sy ny ATT ary ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ankehitriny, hoy ny filohany, Atoa Tsetara Roger.

 

 

 Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT