Sosialy

Fanampiana avy amin-dRavalo An-dalam-panaterana any Atsimo


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Nanainga omaly, niala tao Andranovory ny delegasionina tarihin'Atoa Rina Randriamasinoro,

 

 

 

 Sekretera Jeneralin’ny Antokoa Tiako I Madagasikara hanatitra ireo fanomezana ho an'ny mpiray tanindrazana tratry ny Kere any Atsimo. Ho fanatanterahana ny fampanantenana nataon'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ny tsingerin-taona nahaterahany io, hoy ny avy amin’ny TIM. Tsy izy tenany aloha izany no manatitra mivantana ny fanampiana, raha tsy hoe hanaraka avy ato aoriana i Marc Ravalomanana. Tany amin’ny faritr’i Mahambo sy Foulpoite iny ny Filoha teo aloha vao andro vitsy izay, ary namaly ny fanasana azy, ka tonga nanatrika ny fankalazana ny jobily faha-150 taonan'ny FJKM Avaratsena Fanantenana Talata Volonondry omaly. Nanamarika izany fankalazana izany ny fanokanana ny Trano fiangonana vaovao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT