FANAMPIANA ARA-BOLA ZARAIN’NY FID

Amin’ny 12 ora alina dia efa misy lahatra ireo zokiolona


  • Talata 14 Janoary 2025

Tena sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Tsy nijanona teto an-drenivohitra ihany ilay fidodododoana

amin’ny 12 ora alina raha vantany vao mahare fanampiana na hamoizana ny aina aza fa manerana ny tanana mihitsy. Ho an’iny kaominina Fenoarivo distrikan’Atsimondrano iny ohatra dia nanomboka tamin’ny Sabotsy nifoha afak’omaly Alahady 12 Janoary ary mbola mitohy hatramin’ny anio Alarobia 14 Janoary ilay fanadihadiana hataon’ny FID fa hisy fanampiana ho azo hono. Eny anivon’ny Fokontany no hanaovana izany ka amin’ny 12 ora alina dia efa milahatra ireo zokiolona sy mitaizakely mba hahazoana ilay fanampiana. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia fanadihadiana fotsiny anefa aloha no hatao. Mandritra izany ireo tompon’andraikitra no mamakafaka raha tokony hahazo izany ilay tokantrano na tsia izay arahina fitsidihana mihitsy. Fanontaniana maromaro no hapetraka amin’ilay mpahazo tombontsoa toy ny hoe : tompon-trano sa mpanofa, manana fidiram-bola sa tsia, manana vata fahitalavitra sa tsia …..Raha araka ny fantatra hatrany dia lela-vola no omen’ny FID mandritra izany raha mahazo ilay olona ary haodina. Tsy mijanona hatreo fa manara-maso akaiky izy ireo ka ho an’ireo tena mampiasa vola marina dia mbola ampiana izany hahafahana manatsara ny velon-tenan’izy ireo.
Pati
Legende : Mbola feno olona tahaka izao ny vavahadin’ny Fokontany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT