3 taona izay no tsy nisian’ny orana tany amin’ny faritra Atsimo, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy ny faran’ny herinandro teo.
Tsy misy asa miteraka vola any, hoy ny fanazavana, fa dia fiompiana sy fambolena ary fanjonoana no iveloman’ny olona. Misy ny kere rehefa tsy misy ny orana saingy efa nisy fihatsarana kely raha ny tapany atsimo satria misy orana. Efa misy Bageda na Voamanga any izao. Raha mividy 1000 ariary ianao dia efa ampy anao anaty 1 andro raha olona miisa 3 na 4 no ao an-trano. Taloha zara raha mahazo izany. Misy fihatsarany koa ny vidin’ny biby fiompy. Zara raha 400.000 ariary ny vidin’omby iray taloha. Ankehitriny mba efa mahatratra any amin’ny 1.000.000 sy 2.000.000 ariary. Misy mahatratra 100.000 ariary ny osy. 200.000 ariary ho an’ireo efa lehibe nefa taloha zara raha 60.000 ariary nefa osy vosotra be. Ho an’ny tapany avaratra dia ny faritra Anosy sy Androy dia tena mbola voa mafy. Tsy latsaka ny orana. Faritra mpamboly vary mamatsy ara-bary nefa iny. Tsy misy gotin’orana na iray aza milatsaka any izao. Lanin’ny dahalo koa ny omby sy osy. Mizara vary any ny fandaharan’asan’ny firenena mikambana momba ny sakafo na PAM ary manomboka miditra any koa ny UNICEF. Efa any koa ny “Medecin sans frontière”. Eo koa ny Tosika fameno amin’ny alalan’ny FID. Ry Masera koa ao Tsivory izay nihaona tamin’ny tenako, hoy ny filohan’ny CFM, Maka Alphonse, dia mizara hani-masaka ao an-toerana. Olona miisa 4000 eo no nisitraka izany teo aloha. Tsy mba mahazo fanampiana nefa ry zareo dia nahena ho 2000 isa ilay izy. Tsy misy afa-tsy masera miisa 3 ampian’ireo olona anaty paroasy nefa manao izany. Misy be kibo tratran’ny bilarziozy ao vokatry ny tsy fahampian-tsakafo hitako tao Tsivory. Araka ny efa noresahako nefa dia mampalahelo fa mbola misy manodina ireo sakafo fanampiana. Nandray ny andraikiny moa ny mpitandro filaminana dia nisy voasambotra tamin’izy ireo. 12 isa tamin’ireo 21 voasambotra no naiditra am-ponja vonjimaika. Mpiasan’ny PAM ny 2. Miangavy ny hitohizan’ny fanadihadiana hahafantarana ireo azo lazaina fa mpamono olona ireo, hoy hatrany ny CFM.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.