Sosialy

Fanamparam-pahefana sy vono olona Hatolotra ny fitsarana ilay kaomisera sy ny zanany


  • Zoma 07 Jona 2019

Hiakatra fampanoavana ato ho ato ilay raharahan’ny mpitandro filaminana mianaka voarohirohy fa nidaroka tompona fiara.

 

 

 

 

Mahakasika io tranga nahavoatonona kaomiseran’ny polisy sy ny zanany ho nikasi-tanana sy nandratra olona teny Ampitatafika io, ny sabotsy alina dia manome fanampim-panazavana ny eo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka fa raha vao naharay ny « indro-alefa » na « sois-transmis » avy amin’ny Fitsarana teo Anosy ny tompon’andraikitra teo anivon’ny polisy dia nampiantso avy hatrany ireo mpitory. Taorian’ny fampiantsoana, noraisina am-bavany tao amin’ny IGPN na inspection générale de la Police nationale ny fanambaran’ny mpitory sy ny vavolombelona avy amin’izy ireo ny  talata sy alarobia. Amin’izao, atao famotorana ao amin’io sampan-draharaha io ihany koa ilay Commissaire sy ny zanany lahy izay voatonontonona tamin’ity tranga ity. Aorian’ny famotorana izay atao dia hatolotra ny fitsarana avy hatrany ny raharaha.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT