Sosialy

Fanamboarana ny tetezan’i Bemasoandro Mahitsy Nitondra fanampiana i Fy Andrianarison


  • Talata 12 Martsa 2019

Tonga nanolotra fitaovana ho entina manamboatra ny tetezana eny Bemasoandro Mahitsy Distrikan’Ambohidratrimo Rtoa Fy Andrianarison reny mpiahy ny Fikambanana MIAHI (Marovatana Iraisantsika ka Ambohidratrimo Handroso no Iriantsika). Vokatry ny ora-mikija mantsy dia tapaka ny tetezana mampitohy amin’i Mahitsy sy ny Fokontany Bemasoandro ary ireo tanàna manodidina.

 

 

Ity tetezana ity dia ivezivezen’ny mponina, hamoahan’ny mpamboly sy ny mpiompy ny vokatra, handehanan’ny mpianatra mamonjy sekoly. Fokontany maro no mampiasa ity làlana ity hoy Andriamatoa Rakotoarisoa Michel  Filoham-pokonolona ao Bemasoandro Kaominina Mahitsy. “Nanatona an’i Madama Fy Andrianarison izahay dia nanaiky tsy nisalasala izy hanampy anay hanamboarana ny tetezana ka dia isaoranay azy be dia be izany.  Tsy  nisalasala Rtoa Fy Andrianarison nanampy ny fokonolona tamin’ny alalan’ny fanolorana simenitra hamitàna ny tetezana. « Tsy vao sambany akory ny tenako no nanao asa sosialy toy izao fa efa fanaoko hatramin’izay ny fanasoavana ny mpiara-belona. Aty Mahitsy rahateo ny tanindrazana avy amin’ny lafindray sy lafindreny ; koa rariny raha karakaraina ny tanàna», hoy ity renim-pianakaviana mandray andraikitra ity. Mampiasa ity tetezana sy làlana ity avokoa ny Fokontanin’Ankazo, ny Fokontany Miadapônina, ny Fokontany Fierenana, ary tonga hatrany amin’ny Kaominina Ambohimanjaka ity làlana ity.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT