Sosialy

Fanamboarana moto scooter Asa mahavelona, mahazo 15.000 Ar isan’andro …


  • Zoma 06 Jolay 2018

Mihamahazo vahana eto amintsika ny asa fanamboarana môtô scooter ankehitriny.

 


 

 Raim-pianakaviana marobe no efa lasa mivelona amin’izy io, indrindra fa ireo efa manana traikefa. Ho an-dRandria,  raim-pianakaviana iray mpanamboatra môtô eny amin’ny By-pass dia mahazo 10.000 Ar isan’andro izy raha kely, mijery ny aretin’ilay môtô fotsiny. Môtô telo eo ho eo no hahazoany izany raha mbola hahazoany 3.000 Ar miakatra isanisany  ihany koa ny manolo ireo kojakoja madinika. Maro amin’ny ankapobeny ny olana mety hahazo ireny scooter ireny raha ny fanazavany hatrany. Anisan’ny tena betsaka hoy izy ny fahalotoan’ny carburateur, ny fahafatesan’ny CDI, ny fahafatesan’ny bobine, ny bougie, ny piston ary ny segment. Mikasika ny môtô tsy mety velona indray dia nambarany fa maty generateur ny ankamaroan’izy ireny izay mety hitarika ny fahafatesan’ireo voatanisa rehetra eo ambony ireo ka handaniana vola ana hetsiny vao mety ho avotra indray. Mikasika ny loza manokana moa dia nomarihiny fa vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily amin’ny ankapobeny no tena mahatonga izany.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT