FANAMBADIAN’NY

ANKIZY TSY AMPY TAONA


  • Zoma 02 Oktobra 2026

Hohamafisina ny lalana sy ny fiarovana

18 taona no taona ara-dalana hahafahana manam-bady, araka ny Lalàna laharana faha-2007-022. Nasongadina anefa fa mbola ilaina ny fanamafisana ny lalana, ny fanabeazana sy ny fampahafantarana ny rafitra fanairana ary ny fandraisana an-tanana ireo ankizy tandindomin-doza na efa tafiditra anaty fanambadiana. Misy vao 13 taona monja anefa ny ankizivavy kely eto amintsika dia efa miditra anaty fanambadiana sahady, indrindra fa ny any amin’ny faritra. Lasa kolontsaina mihitsy izany ho an’ny sasany. Anisan’ny dingana lehibe nandritra ny atrikasa ny fanaovan-tsonia ny fanambarana iombonana na « Manifeste », ho mariky ny fanoloran-tenan’ireo mpandray anjara hanamafy ny lalàna sy hampitsahatra ny fanambadian’ny ankizy eto Madagasikara. Ny Minisitry ny Mponina sy Firaisankina, Rakotoniaina Voahanginirina Cathia no nanokatra tamim-pomba ofisialy ny atrikasa, natrehin’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Ramatoa Haingotiana Andriamadison, ny solombavambahoala avy amin’ny faritra maro, ireo tompon’andraiki-panjakana ambony ary ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny hahafahana manafoana ny fampanambadiana ny ankizy. Tanjona ny hamolavolana paikady sy fepetra hahafahana miady amin’ity fomba fanao iray ity, izay misy fiantraikany amin’ny fianaran’ny ankizy, ny fahasalamany ary ny fahafahany misafidy ny ho aviny. Tsiahivina fa mahatratra 42% ireo vehivavy 20 ka hatramin’ny 24 taona eto Madagasikara efa nanambady na niara-nonina tamin’olona talohan’ny faha-18 taonany, araka ny vokatry ny fanadihadiana MICS 2025. Niakatra io taha io raha oharina tamin’ny taona 2018, izay nahatratra 40% be izao. Tolo-kevitra sy ny tondrozotra hamaritana ireo andraikitra sy ny fepetra horaisina araka izany no andrasana manomboka izao ary koa ny fanomanana ny volavolan-dalàna hatolotra amin’ny fivorian’ny parlemantera manaraka.
Pati
Legende : Nandritra ny fifanaovan-tsonia notanterahina omaly !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

Hijery ny tohiny
FTT