Tontosa ny atrikasa «Marina ve?»
Tontosa ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny Campus SESAME, Ambatoroka, Antananarivo, ny atrikasa “Marina ve?”, izay natao momba ny fahaizana mandinika sy manamarina isa ampahibemaso. Fanontaniana tsotra nefa heverina ho manan-danja tao anatin’izany ny hoe «Tena marina ve izay lazaina amintsika?», hoy ny fanazavàna. Nifantoka tamin’ny fampianarana ny fomba fiasa na «méthode "DATA"» ny atrikasa. Fomba fiasa misy dingana miisa 4 izy io dia ny «D – Décrypter», izany hoe mamakafaka ny tena dikan’ilay isa. Ny «A – Analyser» na mandinika ny odidina sy zava-misy manodidina azy. «T – Tracer» na mitady ny loharano nihavian’ilay vaovao ary «A – Agir» na mandray fanapahan-kevitra amim-pitandremana. Nisy fizarana roa ny atrikasa. Ny DataBridge Madagascar no nitantana ny tapany voalohany. Ny Factivistes kosa no nitantana ny tapany faharoa. Tao anatin’izany no nampianarana ny mpandray anjara momba ny Google Dorking sy ny fact-checking, tamin’ny alàlan’ny ohatra sy tranga hita eto Madagasikara. Ny DataBridge Madagascar no nikarakara sy nitantana ity atrikasa ity. Miisa 25 ireo mpandray anjara nandritra izao atrikasa izao. Maro ny isa sy antontan-kevitra miparitaka eto Madagasikara momba ny politika, ny toekarena, ny fanabeazana, ny asa, ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny saingy matetika tsy mazava ny loharano, sarotra ny manamarina azy ary miparitaka haingana amin’ny Facebook sy tambajotra sosialy hafa na dia tsy voamarina aza. Ny tanora no anisan’ny tena mahita sy mizara ireny vaovao ireny isan’andro kanefa mbola vitsy ny fitaovana sy fomba fiasa mora ampiasaina hanampiana azy ireo handinika izany amim-pitandremana. Natao ny “Marina ve?” mba hanomezana fomba fiasa tsotra sy azo ampiharina ho an’ny tanora, hanampiana azy ireo handinika isa ampahibemaso amim-pahendrena ary hampivelatra ny fisainana manoloana ny vaovao miparitaka. Ny hevitra fototra dia hoe tsy voatery hahita valiny tanteraka foana rehefa manamarina isa iray fa ny fahafantarana ny loharano, ny odidina ary ny fetran’ilay vaovao no tena zava-dehibe. Tsy hijanona amin’ity atrikasa ity ny tetikasa. Misy dingana roa lehibe kasaina hatao manaraka dia ny fikarohana hanaovana «cartographie» na famaritan-toerana ny DATA ampahibemaso eto Madagasikara sy hamoahana «guide citoyen» na torolalana ho an’ny olompirenena maimaimpoana ary azon’ny rehetra ampiasaina. Eo koa ny E-learning izay hamoronana «modules» na taranja fampianarana an-tserasera mifototra amin’ny «méthode DATA» amin’ny alàlan’ny «DataBridge Learning Hub». Mitady fikambanana tanora sy olona liana hiara-hiasa amin’ireo dingana ireo ny «DataBridge Madagascar», hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.