Sosialy

Fanalana ny mpivarotra amoron-dalana Ny Sinoa sy ny Karana aloha no tokony hofehezina …


  • Alatsinainy 27 Janoary 2020

Nitondra fanazavana mikasika ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana an’aliny eto amintsika ny profesora James Ratsima, filohan’ny antoko Asandratro ny fireneko.

 

 

Nambarany tamin’izany fa ny sinoa sy karana aloha no tokony hofehezin’ny fanjakana voalohany raha te-hanafoana ny mpivarotra amoron-dalana izy ireo. Ny sinoa sy ny karana mantsy, hoy izy no tena mampiditra entana eto amintsika izay tsy mandoa hetra miainga any amin’ny fadin-tseranana… Izy ireo hoy izy no mamatsy entana ireo mpanao bizina mameno ny arabe amin’izao fotoana. Misy ihany koa hoy izy ireo mpivarotra mpangalatra fotsiny ihany ankoatra ireo   tena tantsaha madinika mivaro-boankazo eny amoron-dalana… Tsy ny mpivarotra amoron-dalana  rehetra, hoy izy no tokony hosamborina fa ireo mpangalatra sy mpibizina izay mameno ny arabe ary mampitombo ny vola any am-balahan’ireo sinoa sy karana. Ho an’ireo tena mpivarotra dia nomarihiny manokana fa tokony hamorona asa ho azy ireny ny fanjakana ka anisan’ireny ny raffinerie izay mpamokatra menaka… no sady hampihenana ny vidin’ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro eto amintsika ihany koa. Tokony homena tany hamokarany ihany koa ny tantsaha, hoy izy hahafahany mivelona fa tsy ny kely hananan’izy ireny indray no alaina bontolo sy totofana.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT