Sosialy

Fanalana ny fakon’Antananarivo Misy vokany ny fanampian’ny CUA ny SAMVA


  • Alakamisy 29 Novambra 2018

Efa hita taratra ny vokatry ny hetsiky ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), taorian'ny toromarika nomen'ny ben'ny tanàna Lalao Ravalomanana,

 

 

 

 sy ny mpanolotsaina manokan'ny ben'ny tanàna Marc Ravalomanana ny fiandohan’ity herinandro ity ny amin'ny fanadiovana ny tanàna sy fanalana ny fako eto amin'ny tanànan'Antananarivo Renivohitra, tamin'ireo mpiasan'ny CUA. Kamiao maromaro no anampian’ny CUA ny SAMVA ho fanalana ny fako, misy ihany koa “tractopelle”, ka andro aman’alina no anatanterahana ny asa. Arahina ny asa tanamaro (HIMO) izany araka ny toromariky ny mpanonolotsaina manokana Marc Ravalomanana ihany, teny amin'ny boriborintany faha-2 ka omaly 28 novambra   tao Ambohipo nametrahana ireo fako misavovona tao anaty bakan-jaoridira, izay miandry ny fiaraben'ny SAMVA haka azy, dia  niara-nisalahy  nanatanteraka  ny asa teny an-toerana  ny mpanolotsaina  ny tanànan’Antananarivo  sy ny  ekipa mpanadio  ao amin’ny boriborintany faha-2  ary ireo  mpomba an’Andriamatoa Marc  Ravalomanana teny an-toerana.   Ho hentitra ny tanànan'Antananarivo ho an'ireo minia manary fako amin'ny fotoana tsy tokony hanariana azy, ka hisy ny sazy miandry azy ireo. Ny fanariana fako dia manomboka amin'ny 5 ora hariva ka hatramin'ny 8 ora alina ihany. Marihana fa manampy ny SAMVA aloha ny CUA ankehitriny, fa ny faktioran’ny vola lany rehetra amin’izao asa fanampiana ataon’ny kaominina izao dia oneran’ny minisiteran’ny rano sy ny SAMVA ihany avy eo rehefa mivoaka ny volan’izy ireo avy amin’ny fanjakana foibe.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT