Sosialy

Fanalan-jaza an-tsokosoko Vehivavy 3 isan'andro no mamoy ny ainy


  • Talata 29 Septambra 2020

Manaitra ny sain'ny maro Rtoa Estelle Razanadrakoto, sekretera jeneralin'ny CNFM (Filan-kevitra nasionalin'ny vehivavy eto Madagasikara),

 

 

 

 fa maro hoy izy ireo tovovavy voatery manala zaza, taorian'ny herisetra ara-nofo nahazo azy. Tovovavy latsaky ny 16 taona ny ankamaroan'ireo tratran'ny herisetra ireo, ary misy aza no tena mbola zaza mihitsy. Tombanana ho vehivavy 3 isan'andro kosa no mamoy ny ainy vokatry ny fanalan-jaza an-tsokosoko eto amintsika, araka ny nambaran'ny avy ao amin’ny Marie Stopes Madagascar. Raha tsiahivina anefa dia sazian'ny lalàna manan-kery eto Madagasikara ny fanatsaharana vohoka, na inona na inona antony. Mety hampigadra 2 taona an-tranomaizina izany, ho an'ilay vehivavy ary hatramin'ny 10 taona an-tranomaizina, ho an'ilay mpitsabo na olon-kafa nanatanteraka ny fanalan-jaza. Izany no antony mampirongatra ny fanatsaharana vohoka an-tsokosoko, izay miteraka fahavoazana ara-pahasalamana ho an'ilay vehivavy ary mety hitarika hatramin'ny fahafatesana mihitsy aza. Iaraha-mahalala fa zava-misy izany eto amintsika, saingy tsy resahana fotsiny. Amin'ny ankapobeny aza, ny olon-dehibe iray eto Madagasikara dia mahafantatra olona 3 efa nampitsahatra vohoka. Nanararaotra ny andro omaly 28 septambra, andro iraisam-pirenena ho an'ny fampitsaharana vohoka voaaro, ireo vehivavy tomponandraikitra maro sy ireo fikambanana isan-tsokajiny, nampahatsiahy fa zon'ny vehivavy voakasika ihany koa ny hampitsahatra ny vohoka entiny, raha mety hanimba ny fahasalamany na haningotra ny ainy izany.

Marigny A.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT