Sosialy

Fanalam-baraka an’i Fafah Mahaleo Nampitandrina mafy ny fianakaviany


  • Alakamisy 20 Febroary 2020

Misy ny fotoana hanginana sy hitenenana, ny fotoana hisaonana na mbola ao aza ny alahelo.

 

 

 Nivoaka tamin’ny fahanginany ny fianakaviana akaiky ilay mpanakanto nandao antsika 4 volana lasa izay, dia i Fafah Mahaleo, fanta-daza teo amin’ny feo mangany, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo. Hentitra izy ireo naneho hoe : « mampitandrina ireo olona vitsy nanely tsaho sy misandoka sy miseho mahalala ny fiainany manokana mihoatra noho ny tompon-kavana na amin’ny fomba an-kolaka na mivantana mba hanaja ny vady sy ray, raibe, malalanay, indrindra ireo ankohonana navelany ».  Mitodika manokana amin’ny mpankafy ny kantony sy ny toetra tsotra loatra nananany sy tsy mba nanam-pahavalo ihany koa izy ireo, mba tsy hihinana am-bolony ny resaka sy serasera ataon’ny sakaiza manody vitsy dia vitsy manararaotra ny tsy maha eo azy intsony, hoy izy ireo. Nanamafy ny fianakavian’i Dama fa ny vady andefimandriny tokana dia teo anilany andro sy alina maro, nitsabo sy nanao izay tratry ny ainy satria sady mpitsabo rahateo, ny zanany rehetra na teto an-toerana na tany ampita, ny fianakaviana manontolo ny tarika nisy azy, ireo namana tena namana na teto na tany ivelany tsy nanadino izay mbola isaorana feno, hoy ny fampitam-baovao avy amin’izy ireo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT