Sosialy

Fanajana ny zon’ny mpiasa Mila ezaka Antsiranana , hoy ny CNaPS


  • Talata 03 Jolay 2018

Anisan’ireo tanàn-dehibe manana ny toerany amin’ny lafiny ara-toekarena i Antsiranana raha eto Madagasikara.

Mbola lavitra ezaka kosa anefa ny fanajana ny zon’ny mpiasa ka nahatonga ny CNaPS nikarakara fiofanana ho an’ny ireo mpitarika sendikaly, ny mpitondra fivavahana, ny ben’ny tanàna sy tompon’andraikitra amina orinasam-panjakana izay mampiasa ECD, ny solontenan’ny orinasa ary ny sarambabem-bahoaka. Tonga maro ireo mpandray anjara satria dia nahatratra telo amby roapolo sy roan-jato (223) ny isan’izy ireo nandritra ny fiofanana izay natao nandritra ny roa andro ny faramparan’ny volana jona lasa teo tao amin’ny efitra malalaky ny « Centre Social Polyvalent Ramose Lucien Botovasoa » Antsiranana. Nampahafantarina azy ireo nandritra ny fiofanana ny momba ny lalànan’ny asa sy ny zon’ny mpiasa dia ireo karazana fifanaraha-mpiaraha-miasa, ny lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsosialy, ny loza mety hiseho am-perinasa sy ny aretina azo avy amin’ny asa, ny fisotroan-dronono. Ny sampandraharaha miahy ny ara-pahasalaman’ny mpiasa amin’ny lafiny fiarovana ny mpiasa amin’ny loza sy aretina vokatry ny asa sy sosialy (na ny Service d’Action Sanitaires et Sociales) SASS izay notarihin’ny tompon’andraikitra voalohany Randrianarijaona Charles Emilson sy ny ekipa no nitondra ny fiofanana. Nampahafantarina ny mpandray anjara ihany koa fa azo atao ny manamarina mivantana ny latsakemboka voaloa eny amin’ny biraon’ny CNaPS na amin’ny tranokala www.cnaps.mg. Ny antony dia maro ireo mpampiasa manoratra izany anaty sora-karama kanefa tsy mandrotsaka akory eny amin’ny CNaPS mba hialana amin’ny tampoka rehefa tonga ny fotoana tokony hisitrahana ireo zo avy amin’ny fiahiana ara-tsosialy rehetra omen’ny CNaPS.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT