Sosialy

Fanajana ny zon’ny ankizy Mbola tsy laharam-pahamehana eto Madagasikara


  • Alarobia 02 Aogositra 2023

Mbola tena ambany ny tahan’ny fanajana ny zon’ny ankizy ho antsika eto Madagasikara. Anisan’ny ahitana taratra

izany ny resaka fanabeazana sy fahasalamana noho ny hakelezan’ny teti-bola natokan’ny fanjakana ho amin’izany. Mbola betsaka ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly noho izany raha tsy vitsy ihany koa ireo tsy afaka mitsabo tena ara-dalana hany ka hanaovana tolo-tanana etsy sy eroa ho an’ireo tena voa mafy na koa miandry ireo karazana hetsika ara-pahasalamana maro samihafa. Ny tobim-pitsaboana fototra rahateo mbola handoavam-bola hatrany eny fa na dia ho an’ireo tena sahirana aza. Mbola tsy tanteraka ihany koa hatreto ilay fampianarana maimaim-poana eny anivon’ny sekolim-panjakana fa resabe fotsiny no betsaka…Izany indrindra no antom-pisia’ilay tetikasa izay tanterahan'ny eo anivon'ny CCOC ao amin'ny kaominina Tsiafahy sy Ambohidratrimo ary ao amin'ny firaisana faha 4 eto Antananarivo renivohitra.Tanjon'ny tetikasa ny hahafahana mijery fomba entina mametraka teti-bola mifandraika amin'izay fampanajana ny zon'ny ankizy izay eo anivon'ireo kaominina miisa telo ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Vonona hanampy ny fampanajana ny zon’ny ankizy ny CCOC !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT