Sosialy

Fanajana ny zon’ny ankizy 2 tapitrisa mahery ireo tsy manan-tsiny tokony havotana


  • Alarobia 20 Novambra 2019

Mbola goragora tanteraka ny fampiharana sy fanajana ny zon’ny ankizy eto amintsika.

 

 

 

 

 Manomboka amin’ny zo hanana kopia mari-pahaterahana izany raha vantany vao tonga ety an-tany izy ireny…  Mbola betsaka amin’ireo anefa   no tsy voahaja na dia efa  tamin’ny 20 novambra taona 1989 aza isika eto Madagasikara no nankato izany.  Mbola mihoatra ny 2 tapitrisa ireo ankizy latsaky ny 18 taona no miaina zavatra tsy eran’ny ainy raha araka ny fanazavan-dRandrianasolo Jacques,  minisitry ny fitsarana. Tsy mitazam-potsiny anefa ny fitondram-panjakana ankehitriny, hoy izy. Anisan’ny noresahiny manokana ny fisian’ireo  ankizy miisa 192 tazonina am-ponja any amin’ny Faritra SAVA noho ny antony maro samihafa. Toraka izany koa ny eny Anjanamasina sy ny etsy Antanimora. Ankoatra ireo zazalahy tsy ampy taona mantsy dia maro ihany koa ireo zaza mbola minono no manaraka an-dreniny mifonja sahady. Zioga izay tena mavesatra tokoa. Efa miezaka mijery olona hampianatra sy hanofana ireny ankizy ireny ny fitondrana raha ny fantatra mba hahatonga azy ireny ho olom-banona rehefa miverina eny anivon’ny fiarahamonina. Nankalazaina omaly ny faha-30 taona nanaovana sonia ny  fifanarahana  iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy. Ny OIF na ny fivondronan’ireo tany miteny Frantsay no nikarakara izany, notronin’ny UNICEF sy ny vovonana miaro ny zon’ny ankizy PFSCE.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT