Sosialy

Fanajana fitsipika fanariana fako Olona miisa 151 no hiandry ireo bakan-jaoridira


  • Talata 04 Desambra 2018

Ho fandrindrana sy ho fitandroana ny fahadiovana tsy hiparitahan’ny loto manodidina ny dabam-bako eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) dia olona miisa 151 manomboka izao no apetraky ny kaominina hiandry ireny dabam-pako iombonana ireny.

 

 Arahina polisy  monisipaly hivezivezy hanara-maso amin’ny môtô izany ho fanarahana ny fitsipika na discipline  izay natao ho an’ny rehetra.  Ho fanavaozana ny dabam-pako sasany dia nanamboatra baka be nap arc à boeuf  koa ny kaominina hanatobiana ny zaoridira, izay efa hita eny amin’ny fokontany Ivandry, Analamahitsy ary Alarobia amin’izao. Ho fandrindrana ny fanalan’ny SAMVA ny fako izay efa ampian’ny kaominina be dia be ankehitriny dia amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina ihany isan’andro ny fanariana ny fako eny amin’ireny daban-jaoridira ireny.  Ireo  olona miisa 151 sy ireo polisy monisipaly napetraka ireo  no hanara-maso ny ora fanariana fako tsy hiverenan’ny gaboraraka toy ny teo aloha intsony.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT