Sosialy

Fanagiazana omby tany Morombe Nitondra porofo ny maha ara-dalàna an’ireo fananany ny fianakaviana


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Mivoatra hatrany ny raharaha Jaonary mpandraharaha avy any Maharihy Morombe.

 

 

 

Nandalo teto an-drenivohitra indray tamin’iny faran’ny herinandro lasa teo iny ny fianakavian’ity mpandraharaha ity notarihan’Atoa Mahatratry Jean ary nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety vitsivitsy ka nilaza fa ny hitondra an’ireo antontan-taratasy maromaro manaporofo ny maha an’ity mpandraharaha ity an’ireo omby nogiazana ao amin’ny toby miaramila any Antanimeva Morombe sy ireo omby marobe hafa ihany koa. Bokin’omby maromaro manaporofo ny fananany an’ireo omby miisa 1756 isa voarakitra ao anatin’izany sy Boky maromaro koa mirakitra ny “Titre” tany maromaro mbola manamarina ny fananan-dRajaonary tany azo volena  ka mampiaka-bary 50 hatramin’ny 150 taonina isan-taona. Ny hanatitra an’ireo antontan-taratasy ireo aty amin’ny mpisolo vavan’Atoa Jaonary aty Antananarivo ka hitondrany an’izany eo anivon’ny fitondram-panjakana mahefa mba tsy ho feon-dakolosy tokana no henon’ny manampahefana amin’ity raharahan’ombin’i Jaonary ity. Mbola nampiarahan’ny fianakaviana Jaonary amin’ireo antontan-taratasy ireo koa ny kapila mangirana mirakitra ny feon’ny vahoaka noraisin’ny mpanao gazety tonga nizaha ny zava-misy marina tany Maharihy mikasika ity resaka ombin’i Jaonary mampisy resaka be ity ary koa PV nataon’ny vadintany nirakitra an’ireo tranga rehetra ireo. Nilaza ihany koa Atoa Mahatratry Jean nitarika ny delegasiona fa tsy dahalo ambony latabatra izany ny tenany ary tsy miaro mpangalatra velively fa olona hiara-pahavoazana “Victime” satria havana tena akaiky an’Atoa Jaonary ka zony ny mampahafantatra ny zava-misy eo amin’ny fitondram-panjakana isan’ambaratongany. Manahy ihany koa ny tenany fa misy ambadika politika sy fanavakavahana ara-drazana ity raharaha ity satria ny ombin’olona iray razana amin’Atoa Jaonary ihany no tratran’izao antsojay izao   na dia maro aza ireo olona manana omby  maro noho ny ananan’Atoa Jaonary. Noho izany dia miangavy ny fanjakana mba  tsy hanana fijery mitanila manoloana an’izao raharaha izao.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT