Nandriaka ny ra teny Malaza Andoharanofotsy. Vola hakana entana moa no nalainy.
Fiara iray handeha haka entana no notafihina jiolahy maromaro. Moto scooter 3 mitondra olona 2 avy izy ireo no nanao ny fanafihana, raha ny fanazavana vonjimaika. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nosakanan’ireo jiolahy teo afovoan’ny arabe ilay fiara. Notifiriny avy eo ny kodiarany ary nalainy tany amin’ilay Ramatoa saika hividy entana ilay vola 14 tapitrisa Ar. Notakiany tany amin’ilay mpamily taorian’izay ny fanalahidin’ilay fiara saingy tsy nanaiky ity farany. Avy hatrany dia notifirin’ireo jiolahy ihany koa ny tendakelin’ity mpamily ity, antony nampandriaka ny ra teny an-toerana. Na izany aza tsy maty ity farany fa efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Nitsoaka ireo jiolahy rehefa vita ny nataony. Minitra vitsy taorian’izay dia tonga nandray an-tanana ny zava-misy ny mpitandro ny filaminana. Tokony ho mailo ny rehetra manoloana ny trangan-javatra tahaka izao, indrindra fa ireo mitondra volabe. Raha ny fanadihadiana dia efa malaza eny amin’ny manodidina an’i Tanjombato sy Andoharanofotsy iny ny andian-jiolahy antsoina hoe « bande des 5 ». Latsaka ary hita teo amin’ny toerana nisehoan’ny fanafihana ny “douille” an’ny bala izay nitifirana ireo lasibatra izay ahiana ho balana mpitandro ny filaminana. Ny fanadihadiana anefa no hamaritra sy tokony hamoaka ny marina miainga amin’ny fanadihadiana ny laharana misoratra eo amin’ilay “douille” ka mivoaka ho azy eo ny marina sy ny tena fiavian’ny bala na tena ana mpitandro filaminana tokoa na avy any an-kafa mihitsy. Maro ny fitaovam-piadiana miparitaka eto amintsika, ary tena raitra dia raitra ny eny am-pelatanan’ny jiolahy. Toa maneho fa misy ary henjana ny trafikana fitaovam-piadiana eto Madagasikara.
Toky R sy Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.