Sosialy

Fanafihan-dahalo - Amboasary atsimo Zaza iray nalaina an-keriny, olona fito voatifitra


  • Zoma 17 Janoary 2020

Tsy milamina ny tany. Mirongatra hatrany ny asan-dahalo any amin’ny faritra. Omby miisa 550 avy any Belitsaka Maintirano hihazo an'i Tsiroanomandidy

 

 

 

entina hamidy no nosakanan’ny dahalo maro be mirongo basy mahery vaika tao Beravina-Morafenobe omaly maraina. Lasan’ny dahalo vokatr’izany ny omby  rehetra.  Nitrangana fanafihan-dahalo ihany koa tany Ebelo Amboasary  Atsimo ary nisy fifandonana teo amin’ny tompon’omby sy mpanara-dia. Naratra voatifitra tamin’izany  ny enina tamin’ireo mpanara-dia sy ny tompon’omby. Voa mafy ny iray niantefan’ny bala teo ambanin’ny fony. Tsaboina ao amin’ny hopitaliben’Ambovombe Androy ireo maratra hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Maty tao anaty fifanjevoana ny dahalo iray ary azo sambo-belona kosa ny iray. Naka zaza iray natao takalon’aina moa ireto dahalo ireto, sady mitaky vola 3 tapitrisa Ar, koa hanaovan’ireo lasibatra  antso avo amin’ny mpitondra ny hanampiana azy ireo sy handraisana an-tanana ny raharaha.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT