Sosialy

Fanafarana vary sy PPN mivantana Tsy nahomby ilay SPM an’ny Fanjakana ?


  • Alatsinainy 07 Desambra 2020

Mifanohitra amin’ny zavatra nambara sy notapahana herintaona lasa ny fihetsiky

 

ny Fanjakana amin’ny fifehezana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Ny resaka vidim-bary, ohatra, dia io lasa niditra amin’ny fifampidinihana sy fifanarahana amin’ny mpandraharaha io. Efa ny 06 novambra 2019 anefa no nanapahana tao anatin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fitsanganan’ny orinasam-panjakana SPM (State Procurement of Madagascar). Io no nambara fa hanafatra mivantana ny ireo entana ilaina andavanandro (PPN) sy solika, hisorohana ny fanararaotana. Ny 23 jolay 2020 ihany no nambara fa hanafatra vary 16000 taonina ny Fanjakana amin’ny alalan’ny SPM. Io no heverina fa isan’ny nampiasiana tamin’ny kizarazara, izay tsy ny rehetra no nahazo. Io no nambara fa handrindrana ny tsena anatiny, ary amin’izao vaninandro mafy izao no ilàna azy. Aty amin’ny vanim-potoana tena mafy sy maitso ahitra isika vao tratry ny fidangan’ny vidim-piainana sy vidim-bary, ary io fa milatsaka ny didin’ny mpitondra amin’ny famerana tsy hihoatra ny 550Ar ny kapoakan’ny vary. Tsy nahomby sy tsy vitan’ny Fanjakana ve ny nampiasa ilay SPM ka tsy maintsy nitady làlan-kafa any amin’ny tsy miankina, izay toa mbola mampanahy ny ho fahombiazany ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT